• Accueil
  • > Recherche : tononkalo fitiavana

Fredy JAOFERA

13112012

Fredy JAOFERA fredy-jaofera-300x177

 

Tantarany fohifohy

RAKOTOMALALA Eric Fredy Jaofera na Fredy JAOFERA eo amin’ny sehatry ny soratra dia teraka NY 30 Avriy 1962 tao Antananarivo. Lahimatoan’Itompokolahy Eugène L. RAKOTOMALALA sy Itompokovavy Elise RAJAOFERA. Vao fito taona monja izy dia efa tonga tao aminy ny fitiavana manoratra ary mitohy izany hatramin’izao.

Izy dia poety ela nanoratana ary efa nahavoaka boky telo amby ny folo hatramin’izao.Efa mpikamban’ny Faribolana SANDRATRA izy. Mambran’ny Fikambanan’ny Poeta sy Mpanoratra Malagasy na NY HAVATSA (UPEM). Isan’ireo folo mianadahy nanangana ny Fikambanan’ny Poeta sy Mpanoratra Malagasy sampana Frantsa no sady Filoha Lefitra.

Tsy poeta fotsiny I Fredy JAOFERA fa dia mpikabary ihany koa ary Mpanolon-tsainan’ny Fikambanan’ny Mpikabary eto Madagasikara sampana Frantsa. Mpanolotsainan’ny Fifarimbonan’ny Mpandala ny Maha-Malagasy koa izy na NY FIMPAMAMA. An-koatra ny tenindrazany dia nanavanana azy koa ny teny vahiny satria Mpiampianatra ny taranja teny anglisy no asany hatramin’izay sy mpandika teny. Hita amin’izany fa olon’ny teny sy ny soratra i Fredy JAOFERA. Eo amin’ny sehatry ny Fiangonana moa dia Mpitoriteny Nasionaly amin’ny Fiangonana Protestanta Malagasy any Frantsa izy. Manambady ary telo lahy no zanany.







Stemarx |
atelier d'écriture Bou... |
Café littéraire |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | Oumnpi
| Bouquinerbienconseille
| Oiseau rare à petite colombe